Fomba fifandraisana
Fantatsika fa ny fomba fiasa mari-pototra, ny mangarahara ary ny asa hita maso no singa manorina ny fifampitokisana.
01
Mihaino aloha
Mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra dia mihaino ny feon’ny fiarahamonina izahay: ny ahiahy, ny zavatra andrasany, ny zavatra iainany isan’andro.
02
Fifanakalozana ao an-toerana
Miara-miasa akaiky amin’ny olobe sy ny manam-pahefana eo an-toerana, ary ny solontenan’ny fiarahamonina izahay mba hahazoana antoka fa voahaja ny rafitra eo an-toerana.
03
Fifampiresahana ampahibemaso
Matetika any amin’ny tanàna sy fokontany samihafa no hanaovana ny fampiresahana sy filan-kevitra ampahibemaso izay iarahana amin’ny vondrom-piarahamonina, ny manam-pahefana, ary ny mpitantana ny tetikasa. Tanjona amin’izany ny hizarana vaovao sy handraisana ireo soso-kevitra amin’ny fomba mangarahara.
04
Fanazavana azon'ny rehetra
Zaraina amin’ny fomba sy fiteny mora azon’ny rehetra sy mifanaraka amin’ny zava-misy eo an-toerana ny vaovao rehetra.
05
Fifampiresahana mitohy
Tsy mitsahatra fa mitohy mandritra ny fahaharetan’ny tetikasa manontolo ny fifanakalozan-kevitra, manomboka amin’ny dingana famolavolana hatramin’ny dingana fitrandrahana.
06
Fandraisana andraikitra miainga amin'ny soso-kevitra voaray
Raisina ho zava-dehibe ny soso-kevitra, fanontaniana sy fitarainana voaray, ary araha-maso sy entina hitondrana fanitsiana raha ilaina.

Ny zavatra andrasan'ny fiarahamonina
- Fihaonana matetika any amin'ny faritra misy azy
- Fanampim-panazavana tsotra sy mora azo
- Fahafahana mametraka fanontaniana sy maneho ny ahiahy
- Fifampiresahana mitohy mandritra ny faharetan'ny tetikasa.
Manana ekipa any an-toerana izahay, vonona hifandray mivantana amin'ny fiarahamonina izy ireo
Fanontaniana mipetraka matetika
Eny. Tanterahana matetika ny fakan-kevitra, izay handraisan'ny manam-pahefana eo an-toerana sy solontenan'ny mponina anjara.
Eny. Tafiditra ao anatin'ny laharam-pahamehana mandritra ny faharetan'ny tetikasa ny fandraisana mpiasa sy ny fanomezana fampiofanana ao an-toerana
Tsia. Hentitra ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny rano hisorohana ny mety ho fiantraika amin'ny filan'ny mponina.
Mandray ny fanehoan-kevitra sy mandinika izany ny orinasa rehefa misy fanapahan-kevitra horaisina, ary araha-maso ny fampiharana izany.


Ny andraikitra raisina ho an'ny fiarahamonina
Mangarahara
Mizara vaovao matetika izahay, amin’ny fomba mora azo, amin’ny alalan’ny fihaonana mivantana, ny serasera eny ifotony, ary ny fifanakalozan-kevitra mitohy.
Asa ho an'ny olona eo an-toerana
Laharam-pahamehana aminay ny fandraisana mpiasa eo an-toerana, manome fiofanana koa izahay hanamafisana ny fahaiza-manao izay hijanona ho tombontsoa maharitra eny fa na aorian’ny fahataperan’ny tetikasa aza.
Andraikitra maharitra
Mibaiko ny fanapahan-kevitra rehetra raisinay ny tombontsoa maharitra ateraky ny tetikasa ho an’ny mponina, ny tany, ary ny taranaka mifandimby.

Miorina miandalana ny fifampitokisana. Manomboka amin'ny fihainoana izany.
Mifandraisa aminay
Raha te hahafantatra bebe kokoa na te handefa dosie fangatahana asa na fiofanana ato aminay ianao amin’ny ho avy, dia afaka mifandray mivantana aminay.


