Mianatra – fanambarana ho an’ny mpanao gazety
05/28/2026 | 6:08 pmVARA MADA : HANOME SAKAFO AN-TSEKOLY HO AN’NY ANKIZY 10 000 AO AMIN’NY FARITRA ATSIMO-ANDREFANA
Toliara, Madagasikara, 28 Mey 2026 – Vara Mada, orinasa iray ao anatin’ny Energy Fuels, miaraka amin’ny fikambanana tsy miankina amerikanina Global Communities sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena eto Madagasikara, dia manambara ny fanombohana ny programa MIANATRA.
Ity programa lehibe ity dia mikendry ny hanome sakafo an-tsekoly isan’andro ho an’ny mpianatra ambaratonga fototra miisa 10 000, ao amin’ny sekolim-panjakana 35, any amin’ny faritra iasan’ny tetikasa Vara Mada.
Nahazo fampiasam-bola lehibe mitentina 1,2 tapitrisa dolara amerikana avy amin’i Vara Mada ity programa andrana ity, mba hitondrana tombontsoa mivaingana sy maharitra ho an’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana.
Ohatra mivaingana amin’ny fiantraikany tsara eo amin’ny vondrom-piarahamonina
Amin’ny alalan’ny sakafo an-tsekoly efa ho 2 tapitrisa kasaina hozaraina isan-taona, ny fandaharanasa MIANATRA dia ohatra mivaingana amin’ny tombontsoa azon’i Vara Mada entina ho an’ny faritra ao anatin’ny vina maharitra ananan’ny orinasa.
Amin’ny alalan’ity hetsika ity, ny orinasa dia mikendry ny hanatsara amin’ny fomba azo tsapain-tanana ny fiainan’ny ankizy, ny fianakaviana ary ireo vondrom-piarahamonina ao Atsimo-Andrefana, na dia mbola tsy natomboka aza ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany.
Satria tena ilaina amin’ny fahasalamana, ny fahombiazan’ny ankizy any an-tsekoly ary ny fivoarany ny sakafo ara-dalàna sy mifanaraka amin’ny filàn’ny vatana, dia ampifandraisin’ity programa ity amin’ny fanabeazana sy ny fampandrosoana eo an-toerana ny fanjarian-tsakafo.
Hetsika mivaingana manomboka amin’ny taona 2026
Manomboka amin’ny volana Mey 2026, ny programa dia hanohana ny fametrahana ireo fotodrafitrasa tena ilaina ao amin’ireo sekoly voafantina, toy ny:
- lakozia vaovao;
- fahazoana rano fisotro madio;
- toerana azo antoka hitahirizana ireo sakafo sy akora ilaina.
Hanomboka amin’ny taom-pianarana 2026–2027 ny fizarana sakafo isan’andro.
Programa naorina miaraka amin’ny vondrom-piarahamonina sy ho an’ny vondrom-piarahamonina
Ny fandraisan’anjaran’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana no ivon’ny fahombiazan’ity hetsika ity.
Ray aman-dreny miasa an-tsitrapo, mpampianatra ary solontenan’ny vondrom-piarahamonina no handray anjara mavitrika amin’ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly.
Ity fomba fiasa ity dia hanamafy ny fandraisana andraikitra eo an-toerana, ny andraikitra iombonana ary ny faharetan’ny programa mandritra ny fotoana maharitra.
Amin’ny fitambarany, ao amin’ireo sekoly 35 voakasika, dia tombanana ho olona manodidina ny 68 000 no hahazo tombontsoa mivantana sy ankolaka avy amin’ny programa. Tafiditra ao anatin’izany ny mpianatra, ny fianakavian’izy ireo, ireo mpisehatra eo anivon’ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpiara-miombon’antoka samihafa mandray anjara amin’ity hetsika ity.
Programa efa nanaporofo ny fahombiazany
Ny programa MIANATRA dia mifototra amin’ny maodely iray efa nanaporofo ny fahombiazany tany atsimon’i Madagasikara.
Hatramin’ny taona 2021, ity programa ity dia efa nahafahana nizara sakafo 14,2 tapitrisa ho an’ny mpianatra maherin’ny 57 000 tany atsimon’ny firenena.
“Ity programa ity dia ohatra mivaingana amin’izay azontsika atao mba hanatsarana ny fari-piainan’ireo vondrom-piarahamonina mandray antsika. Maneho ny fanoloran-tenanay hamorona tombontsoa maharitra ho an’ny Faritra Atsimo-Andrefana izany,” hoy i Mike Van Akkooi, Country Manager an’i Vara Mada.
“Manantena izahay fa ho afaka hanomboka hetsika hafa afaka manova maharitra ny fiainan’ny mponina, arakaraka ny fandrosoan’ny tetikasa Vara Mada. Na dia mbola tsy natomboka aza ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia reharehako ny mampiasa vola dieny izao mba hahazoan’ny ankizy tsirairay ny sakafo ilainy amin’ny fitomboana, ny fianarana ary ny fahombiazana.”
Fototra mafy orina ho an’ny hoavy
Raha mahatratra ireo dingana lehibe manaraka amin’ny fampandrosoana azy ny tetikasa Vara Mada, dia mikasa ny Energy Fuels hanitatra ity programa andrana maharitra 14 volana ity ho any amin’ny sekoly hafa.
Kasaina hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha eo an-toerana, mba hahafahana mamatsy vokatra ara-tsakafo betsaka kokoa ho an’ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly.
Ny tanjona dia ny hanangana maodely iray matanjaka, maharitra ary afaka mivelatra tsikelikely rehefa mandeha ny fotoana.
Amin’ny alalan’ny MIANATRA, Vara Mada dia mikendry ny hametraka ny fototry ny programa iray izay tsy ho fanampiana vonjimaika fotsiny, fa ho fitaovana maharitra hanohanana ny fanabeazana, ny fanjarian-tsakafo, ny fampandrosoana eo an-toerana ary ny hoavin’ireo ankizy ao amin’ny faritra.


