Vara mada, amin’ny alalan’ny  fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny global communities dia nanao sonia ny fifanarahana tamin’ireo sekoly voalohany hiditra ao amin’ny programa mianatra
Hetsika ESG

Vara mada, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny global communities dia nanao sonia ny fifanarahana tamin’ireo sekoly voalohany hiditra ao amin’ny programa mianatra

07/08/2026 | 6:31 pm

Toliara, Madagasikara, 8 Jolay 2026 – Ny Zoma 3 Jolay, Vara Mada, ny Solontenan’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ary ny Global Communities dia niara-nanao sonia ny fifanaraham-piaraha-miasa tamin’ireo sekoly 27 voalohany voafantina hiditra ao amin’ny MIANATRA. Programa andrana maharitra 14 volana izy io, izay mampiaraka ny fanomezana sakafo an-tsekoly isan’andro sy ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa voafaritra ao amin’ny sekoly.
Mitentina 1,2 tapitrisa dolara amerikana ny fampiasam-bola ataon’i Vara Mada amin’ity programa ity. Maneho amin’ny fomba mivaingana ireo tombontsoa azon’ny tetikasa Vara Mada entina ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, arakaraka ny fandrosoan’ny tetikasa, izany.
Raha mahavita amim-pahombiazana ireo dingana manaraka amin’ny fampandrosoana azy ny tetikasa Vara Mada, dia mikasa ny Energy Fuels hanitatra ity programa andrana ity amin’ny sekoly hafa. Kasainy hamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ireo tantsaha eo an-toerana, mba hahafahana mamatsy vokatra ara-tsakafo betsaka kokoa ho an’ireo toeram-pisakafoanana an-tsekoly.
Ny tanjona dia ny hanangana maodely matanjaka, maharitra ary azo velarina, izay afaka mitombo miaraka amin’ny tetikasa sady mitondra tombontsoa maharitra ho an’ny fanabeazana, ny fanjarian-tsakafo ary ny fampandrosoana ny toekarena eo an-toerana.
Rehefa tanteraka ny programa MIANATRA dia mety hitondra fiantraikany tsara ho an’ny olona efa ho 80 000, anisan’izany ireo mpianatra ambaratonga fototra manodidina ny 10 000, ny fianakavian’izy ireo, ny mpampianatra ary ireo tantsaha eo an-toerana.
Ao amin’ny kaominina Tsianisiha, Maromiandra, Belalanda ary Toliara I no misy ireo sekoly voalohany mandray anjara. Sekoly valo hafa kosa no mbola manohy ny dingana fanombanana alohan’ny hidirany ao amin’ny programa.
Ankoatra ny fanomezana sakafo an-tsekoly isan’andro, ny MIANATRA dia ahitana fampiasam-bola amin’ny fotodrafitrasa an-tsekoly, toy ny:

  • fananganana na fanarenana lakozia;
  • fanatsarana ny fahazoana rano fisotro madio;
  • fananganana toerana fitahirizana mifanaraka amin’ny filàna.

“Faly sy mirehareha izahay mandray ity programa efa nandrasan’ny vondrom-piarahamoninay hatry ny ela ity,” hoy i Félix Kapaiky, Ben’ny tanànan’i Maromiandra.
“Manantena izahay fa hampihena be ny fialan’ny ankizy an-tsekoly izany ary hanome hoavy tsaratsara kokoa ho azy ireo.”
“Maneho fisaorana lalina an’i Vara Mada sy ny programa MIANATRA izahay noho ny fanoloran-tenany tsy tapaka amin’ny fampandrosoana ny kaomininay,” hoy i Pierre Raelison, Ben’ny tanànan’i Tsianisiha.
“Ity hetsika ity dia mampiseho ireo tombontsoa tsara efa azon’ny tetikasa entina ho an’ny vondrom-piarahamonina eny Ifotony.”
Notanterahina teo anatrehan’ireo manam-pahefana eo an-toerana, ireo tompon’andraikitry ny fanabeazana, ireo solontenan’ny sekoly voakasika, ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena, Global Communities ary Vara Mada ny fanaovan-tsonia ireo fifanarahana.
Ity dingana voalohany ity dia manamarika dingana lehibe amin’ny fampiharana ny MIANATRA. Maneho ihany koa ny fahavononan’i Vara Mada hiara-hiasa amin’ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana izy io, sady mametraka ny fototry ny tombontsoa ara-tsosialy sy ara-toekarena midadasika kokoa, arakaraka ny fandrosoan’ny tetikasa.