Vara Mada: hiteraka 26,7 lavitrisa dolara eo anivon’ny toekarenan’i madagasikara
Hetsika ESG

Vara Mada: hiteraka 26,7 lavitrisa dolara eo anivon’ny toekarenan’i madagasikara

04/30/2026 | 4:20 pm

TOLIARA, 30 AVRILY 2026 — Vara Mada, orinasa iray ao anatin’ny Energy Fuels, dia namoaka androany ny vokatry ny fanadihadiana ara-toekarena nataon’ny Ernst & Young (EY). Mampiseho ny fahafahan’ny tetikasa hitondra fiovana lehibe ho an’i Madagasikara izany, satria vola mitentina 26,7 lavitrisa dolara amerikana no mety hiditra ao amin’ny toekarena malagasy mandritra ny faharetan’ny tetikasa, izay vinavinaina ho 39 taona.
Mety hampiditra hetra manodidina ny 130 tapitrisa dolara isan-taona ho an’ny Fanjakana ny tetikasa, sady hanohana asa an’arivony isan-taona mandritra ny dingana fitrandrahana. Ho tombontsoa lehibe ho an’ny fampandrosoana ara-toekaren’ny firenena iray manontolo izany.
Ao anatin’ny fitomboan’ny fifantohana amin’ny fampandrosoana ny Faritra Atsimo-Andrefana, ireo vokatra ireo dia manome fanazavana mivaingana momba ireo loharanom-bola azon’ny tetikasa entina hanohanana ny toekarem-pirenena, ny Fanjakana ary ny mponina.
Eo amin’ny sehatra nasionaly, Vara Mada dia mety ho fanoitra lehibe hanamafisana ny toekarena, amin’ny alalan’ireto tombontsoa manaraka ireto:

  • Fampiasam-bola voalohany mitentina 890 tapitrisa dolara ;
  • Vola miditra avy amin’ny hetra manodidina ny 130 tapitrisa dolara isan-taona, izay mitovy amin’ny 3 hatramin’ny 4 isan-jaton’ny tetibolam-panjakana isan-taona;
  • Fandraisana anjara manodidina ny 500 tapitrisa dolara isan-taona amin’ny Harinkarena Faobe na PIB, izay mitovy amin’ny 3 isan-jaton’ny toekarena malagasy eo ho eo;
  • Fandraisana anjara mitambatra maherin’ny 19 lavitrisa dolara amin’ny PIB mandritra ny faharetan’ny tetikasa;
  • Ny tetikasa irery dia mety hahafahana mampitombo avo roa heny ny fampiasam-bola vahiny eto Madagasikara;
  • Fampiasam-bola ara-tsosialy mitentina 300 tapitrisa dolara.

Raha tanteraka soa aman-tsara ny tetikasa, dia hanohana ny asa ara-toekaren’ny tanora ihany koa izy, amin’ny alalan’ny famoronana asa an’arivony isan-taona mandritra ny dingana fitrandrahana.

Fandraisana anjara mivaingana amin’ireo tolotra fototra ho an’ny mponina sy ny faritra
Raha atao kisarisary ohatra ilay vola hetra 130 tapitrisa dolara isan-taona ho entin’ny orinasa ao amin’ny kitapombolam-panjakana dia mety hahafahan’ny Fanjakana mamatsy miaraka ny karama isan-taonan’ny:

  • mpampianatra 30 000;
  • mpiasan’ny fahasalamana 5 000;
  • mpitandro filaminana 20 000.

Izany dia afaka manampy amin’ny fanatsarana ny fahazoana fanabeazana, ny fanamafisana ny fahazoana fitsaboana ary ny fampitomboana ny fisian’ny sampan-draharaham-piarovana manerana ny firenena.
Nasongadin’ny fanadihadiana ihany koa ny fahafahana lehibe hahazoan’ireo orinasa malagasy tombontsoa. Ampahany betsaka amin’ireo fividianana sy fifanarahana no mety hotanterahina eto an-toerana, indrindra eo amin’ny sehatry ny serivisy, ny fikojakojana, ny fitaterana, ny angovo ary ny fotodrafitrasa.
“Ny vokatry ny fanadihadiana dia mampiseho ny halehiben’ny tombontsoa mety hoentin’i Vara Mada ho an’i Madagasikara. Mihoatra lavitra noho ireo tarehimarika ireo, dia asehon’izy ireo ny fahafahana lehibe hitondra fiovana ara-toekarena sy ara-tsosialy. Raisiko amim-pahamatorana lehibe izany, miaraka amin’ny finiavana mazava : ny hahazoana antoka fa hitondra fanatsarana mivaingana, hita maso ary maharitra ho an’ny mponina ny sanda aterak’ity tetikasa ity. Hanohy hifampiresaka amin’ny fomba misokatra amin’ireo vondrom-piarahamonina sy manam-pahefana rehetra aho.”
Mike van Akkooi, Talen’ny Vara Mada
Amin’ny famoahana ireo vokatra ireo, Vara Mada dia mikendry ny hanampy ny rehetra hahatakatra tsara kokoa ny tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy mety hoentin’ny tetikasa, ary hanamafy ny fifanakalozan-kevitra amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra.