Miditra amin’ny dingana vaovao ny tetikasan’ny energy fuels ao toliara miaraka amin’i Vara Mada
07/29/2026 | 6:24 pm“Izay alaintsika avy ao an-kibon’ny tany dia afaka manohana ny taranaka ho avy, rehefa miara-miasa isika.”
Ny Base Toliara, tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany an’ny Energy Fuels ao Toliara, dia miova anarana ary lasa Vara Mada – An Energy Fuels Company.
Ity fanovana ity dia natao mba hanazavana kokoa ny momba ny tetikasa, hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra, indrindra eny anivon’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana, ary hametrahana sehatra iray ahafahana manao fifanakalozan-kevitra mivantana sy mampandray anjara ny rehetra.
Ireo tanjona ireo dia miorina amin’ny traikefa iraisam-pirenena ananan’ny Energy Fuels, izay manana tantara sy traikefa eken’izao tontolo izao amin’ny fitantanana tetikasa fitrandrahana manaja ireo fenitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana avo lenta.
Ny tetezamita maneran-tany mankany amin’ny angovo madio dia mampitombo haingana ny filàna mineraly stratejika. Ao anatin’izany fiovana lehibe izany, dia manana toerana lehibe i Madagasikara, satria eo amin’ny ivon’ireo zava-dehibe ara-toekarena, ara-tontolo iainana ary ara-jeopolitika.
Eto Madagasikara, ny Energy Fuels dia manomboka dingana vaovao eo amin’ny lafiny fampandehanan-draharaha sy ny paikady, amin’ny alalan’ny anarana vaovao hoe Vara Mada.
Tsy fanovana ara-marika fotsiny ity fiovan’anarana ity. Maneho finiavana mazava izy io, dia ny handroso amin’ny fomba mangarahara kokoa, mifototra kokoa amin’ny zava-misy sy ny filàna eo an-toerana, ary tompon’andraikitra kokoa, ao anatin’ny faritra iray izay mbola lehibe ny fanantenana sy ny filàna amin’ny fampandrosoana.
Safidy niniana natao amin’ny anarana tsotra sy mifototra amin’ny kolontsaina eo an-toerana
Miorim-paka lalina ao anatin’ny kolontsaina malagasy any an-toerana ny anarana Vara Mada. Maneho harena tokony hotrandrahina, ho tsiri-mpanantenana ho an’i Atsimo-Andrefana, faritra iray manana ny tantarany sy ny feony manokana.
Ao anatin’izany fomba fijery izany, Vara Mada dia manamafy ny fikasany hiara-hanorina amin’ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tetikasa iray maharitra, miorina amin’ny fifanakalozan-kevitra misokatra.
Anarana vaovao, fomba fiasa vaovao
Amin’ny alalan’i Vara Mada, ny Energy Fuels dia manomboka fanovana lalina ny tetikasa, izay mifototra indrindra amin’ireto lafin-javatra ireto:
- Fanavaozana ny fandaminana anatiny amin’ny fanamafisana ny ekipa Malagasy;
- Fifanakalozan-kevitra voarafitra kokoa, atao tsy tapaka ary voarakitra tsara kokoa miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka;
- Drafitr’asa mazava kokoa, mifantoka amin’ny vokatra ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana azo tsapain-tanana sy azo refesina;
- Fampiharana hentitra ireo fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana, ny fitantanana ny tontolo iainana, ny fitantanana mangarahara ary ny fahombiazan’ny rafitra sy ny fikambanana.
Laharam-pahamehana ara-toekarena sy ara-tsosialy voafaritra mazava kokoa
Ny tanjon’i Vara Mada dia ny hahatonga ny tetikasa ho fanoitra maharitra ho an’ny fampandrosoana, amin’ny alalan’ireto laharam-pahamehana mivaingana ireto:
- Famoronana asa mivantana, ankolaka ary ateraky ny tetikasa manodidina ny 4 000 mandritra ny dingana fampandrosoana, ary hitombo ho maherin’ny 6 000 izany mandritra ny dingana fitrandrahana;
- Fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina sy fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mponina eo an-toerana;
- Fampandrosoana fotodrafitrasa, indrindra eo amin’ny fahazoana sy fitantanana rano, ny fanabeazana ary ny fahasalamana;
- Fametrahana programa momba ny fiarovana ny tontolo iainana;
- Famoronana asa hiveloman’ireo mpandraharaha sy mpamatsy entana eo an-toerana.
“Vara Mada dia maneho ireo soatoavina sy ny fanoloran-tenan’ny Energy Fuels handroso amin’ny fomba azo ampiharina, tompon’andraikitra ary feno fanajana, amin’ny fiaraha-miasa akaiky amin’ny manam-pahefana sy ireo vondrom-piarahamonina mpampiantrano,” hoy i Mike Van Akkool, Filoha Lefitra Ambony misahana ny Raharaha Ivelany ao amin’ny Energy Fuels.
“Ny tanjonay dia ny hampandroso ity tetikasa ity mba hamorona tombontsoa fanampiny sy maharitra ho an’i Toliara, ny Faritra Atsimo-Andrefana ary i Madagasikara, miainga amin’ny vina iombonana. Vara Mada, izay miorina amin’ny traikefa iraisam-pirenena sy ny fahombiazan’ny Energy Fuels eo amin’ny lafiny tontolo iainana, sosialy ary fitantanana, dia maneho dingana mivaingana mankany amin’izany tanjona izany,” hoy ihany izy.


